8 Sep 2010
Fihaonam-be n'ny Zandary teny Fort Duchesne PDF Imprimer Envoyer
Écrit par RaMamy   
Mercredi, 10 Mars 2010 14:34

Ho tohin'ny fivoriana teny Mahazoarivo ny talata hariva dia nifamotoana tetsy amin'ny Tobin'ny FIGN indray rizareo hampilamina ny disadisa. Nanatrika teny ny Praiminisitra Vital, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimaria, ny ministry ny Foloalindahy, ny komandy ambonin'ny zandary, Jly Razafindrakoto Bruno, ny komandin'ny FIGN, Jly Zafera. Hisava amin'izay angamba ny olana nisy.

 

Ireo  azo lazaina ho mpanelanelana ary ireo jeneraly roalahy "mpifanandrina".

Nandahatra mafy ny jeneraly Ravelomanana.

Nidinika tamin'ireo FIGN ny Komandy Ambony, Razafindrakoto.

Miaramila moa ka henjana ny resaka.

Efa vonona ny zava-pisotro.

Naroso ny mafàna.

Nakarin'ny Praiminisitra ny vera.

Niresaka kely tamin'ny mpanao gazety… vahiny ny PM.

Miraisa hina isika zandary, hoy ny Jeneraly Ravelomanana.